ASABOTSY 03 AVRIL 2010
NY MOFON’AINA
1 PETERA 1.3-9 HIRA 515
NY FANANTENANA VELONA
Ry havana,
Homba anareo mandrakariva anie ny Fiadanan’i Jesoa Tompo ary hitoetra amin’ny fanambinan’ Andriamanitra hatrany anie ianareo.
Ny Fanantenana velona , io no fotokevitra ambaran’ny Soratra Masina ho antsika anio.
1-OLOM-BAOVAO VOATAHIRY ANY AN-DANITRA HO AN’I KRISTY ISIKA
Ny Fahafatesan’i Jesoa Kristy sy ny fitsanganany tamin’ny maty no mampiorina koa ny finoana sy ny fanantenantsika izay nananganany antsika koa ho zanak’Andriamanitra sy ho mpandova ny fiainana mandrakizay. Noho ny finoana an’i Kristy sy ny nandraisantsika Azy tokoa mantsy no iainantsika ny fiainana vaovao sy nateraka indray. Izany no hahazoantsika mahita ny Fanjakan’ Andriamanitra, ary tena fanantenana velona izany fa tsy honohono.
Ny fandraisantsika an’i Kristy no mahatonga antsika ho olom-baovao izay miaina sahady ny fiainan- danitra dieny ety an-tany, dia ilay fiainana voatahiry ho an’ny mino rehetra ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra.
Fanantenana maharitra ho an’ny mino, lova tsy mety simba, tsy levona ary mafy orina sy mandrakizay notahirizin’Andriamanitra ho an’ny mino rehetra. Ary
2-FIFALIAM-MPAMONJENA NA DIA MISY FISEDRANA AZA
Iainana dieny ety an-tany izany fanantenana ny fiainana any an-danitra izany , ary tena fifaliam-pamonjena tokoa na dia misy fisedrana isan’andro aza. Ny ady atao amin’ny herin’ny faharatsiana, ny fakam-panahy tsy maintsy toherina, ny adim-panahy tsy maintsy ihoarana , na ao aza ireny rehetra ireny dia velona amin’ny finoana tsy ny fanantenana ny mino ary matoky fa miara- belona aminy koa Kristy mba hahazoany miatrika ny fisedrana misy rehetra.
Fa ny fanantenana ny ho avy dia mihoatra lavitra noho ny ady atrehina izay misy, ary ny Apostoly dia niaina sy nivelona tamin’izany koa ka nanambara, fa ny fahoriana dia maivana raha oharina amin’ny voninahitra izay miandry sy atolotra ny mino rahatrizay.
Na dia tsy mbola hita aza, dia inoana sy iravoravoana amin’ny fifaliana tsy hay lazaina sady feno voninahitra; koa ny fahoriana sy ny fisedrana dia mandalo ihany, fa ny fanantenana kosa no ahafahana miatrika ny ho avy mamirapiratra amin’ny fifaliana.
Hery ho antsika tokoa izany, ary nohamafisin’ny Apostoly amin’ny filazany hoe: “Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo, eny hoy izaho indray mifalia.” Fil.4.4 Fa mihoatra noho izany aza dia Kristy mihitsy no milaza amin’izay mino Azy hoe: “Mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.” Jao.15.11
Ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty tokoa no niantoka sy nampiorina ny fanantenana izay hanorenan’ny mino ny fiainana vaovao, ka mahatonga azy ho mpiray lova amin’i Kristy dia ny fiainana mandrakizay izay efa nomanin’Andriamanitra ho an’ny mino rehetra.
Ho tanteraka amintsika tokoa anie izany fifalian’ny fanjakan’Andriamanitra izany.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum