ALAKAMISY 18 MARS 2010.NY MOFON'AINA:FANAHY IRAY AMIN'NY TOMPO

 

 

ALAKAMISY 18 MARS 2010

 

« Fa izay miray amin’ny Tompo kosa dia fanahy iray Aminy1 Korintiana 6.17

 

NY MOFON’AINA

 

1 KORINTIANA  6.12-20     HIRA 480

 

FANAHY IRAY AMIN’NY TOMPO

 

Ry havako,

 

Homba anareo mandrakariva anie ny Fahasoavan’i Jesoa Tompo ary hitoetra ao aminareo hatrany ny fanahin’ny fanoloran-tena sy ny fahitsiana ary marina sy ny fahadiovana.

 

Amin’ny fifaliana hatrany no hamangiana  hizarana aminareo ny mofon’aina mba hitondra hery sy vatsim-pahany ary fitahiana ho anareo eo ampamakivakiana ny fiainana. Mankasitraka indrindra ry havako mandray izany ary na aiza na aiza misy anareo dia ho tahiana anie ianareo.

 

Fanahy iray amin’ny Tompo izay miray aina Aminy amin’ny finoana, ka tsy tokony hiovaova sy hanaraka ny toetra sy ny fanaon’izao tontolo izao; izany  no atolotry ny mofon’aina ho antsika anio.

 

1- MANANA NY FAHAFAHANA MARINA 

 

Ny miray fanahy amin’ny Tompo dia olona manana ny tena fahafahana marina, kanefa izany fahafahana izany tsy ho entina hanaraka ny nofo.

 

Nisy tamin’ireo kristiana tany Korinto mantsy  nanohana ny hevitra hafahafa ka nataony tamin’ny alàlan’ny Filazantsara  ary nihevitra fa “ny zavatra rehetra dia azo atao”satria olona afaka. Paoly anefa dia nanamafy fa na dia azo atao aza ny zavatra rehetra, dia tsy ny zavatra rehetra akory no mahasoa.

 

Tany Korinto tokoa  mantsy dia nisy ireo fitondran-tena vetaveta niainan’ny olona tamin’ny fanompoana ny andriamani-bavy Venus. Namirapiratra ny tempoly naorina ho azy io ary an’arivony ireo mpisorom-bavy nitarika ny fanompoana tao; nisy koa ireo fivarotan-tena ankalamanjana (toy ny tsenam-behivavy mivarotena); nitombo hatrany ary saiky isan’andro ny tsy fahamarinana , ny fijangajangana  sy ny fahotana samihafa ary ny tsy fisian’ny henatra intsony noho ny fanompoany io Venus io. Dia nisy tamin’ireo kristiana no nampirisika sy nazoto ary nampifangaro ny fanompoany ny Tompo tamin’ny sampy ka nitenenan’ny Apostoly fa izay miray aina amin’ny Tompo dia iray fanahy Aminy koa ka tsy mahamendrika ny toe-panahy kristiana ny fiarahana amin’ny fanompoana toy izany.

 

Satria iray aina amin’ny Tompo, dia tena toy ny vatana iray Aminy ka tsy misaraka Aminy na hanaiky ho lasan’ny fanangolena samihafa ataon’ilay ratsy. Ny mpino dia nanokan-tena ho an’ny Tompo ary ny Tompo ao aminy, fanahy iray Aminy. Olona nalain’Andriamanitra ho an’ny Tenany ka tsy hanaraka ny fomba mamohetra mitondra ho amin’ny fahalòvana sy ny fahalotoana.

 

Ny fiangonana velona, ny mpino mahatoky dia tena miombon’aina  amin’i Kristy ary isan’ny momba ny Tenan’i Kristy misitraka ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fiainana mandrakizay.

 

Ny hafatra avy amin’izany dia ny hialan’ny mino amin’ny rehaka sy ny fahalotoan’izao tontolo izao, ary raha mitafy an’i Kristy tokoa dia hanary ny toetra taloha satria efa mitafy toetra vaovao. Fa “raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy.”

 

Fa misy koa anie ny kristiana tsy mitoetra tsara na dia milaza ho manana ny finoana aza, fa mbola manao boloky homam-boatseva  ka sady mamy ny atsy no fy ny aroa. Toy izany ny fitondran-tena tsy ankasitrahan’Andriamanitra nefa mbola manamarintena tahaka ireo kristiana sasany tany Korinto, ny famitahana ny hafa, ny fihatsarambelatsihy ao koa ireo fahotana maro izay tsy hoe: tsy fantatra fa tena iniana atao sy marisika amin’izany mihitsy aza. Izany no nananaran’i Paoly ny Korintiana fa raha miray aina amin’i Kristy dia iray fanahy aminy koa.

 

Koa tandremo ny tenantsika sy ny fitondrantenantsika mba tsy hampietry ny Voninahitr’ Andriamanitra ka hanao ny fanaon’izao tontolo izao, fa tsy mitondra lavitra izany fa mety haningotra aza aoriana.

 

2-MANDRESY NY FAHOTANA IZAY IRAY FANAHY AMIN’NY TOMPO

 

Maro no mihevitra fa ampy fotsiny rehefa mino na dia tsy manaraka izay fitsipipiainana atolotry ny Tenin’Andriamanitra aza. Misy ny mampianatra ka mihevitra fa fampianarana fotsiny ihany izany, ary tonga amin’ilay fiteny hafahafa hoe:”izay lazaiko tanteraho, fa ny ataoko aza atao.” Tsarovy fa na ny Apostoly paoly aza dia nanontany tena ka nanao hoe: “sao dia nitory tamin’ny sasany aho nefa ny tenako kosa ariana” sy ny hoe:”izay nandray be sy mahalala no iharan’ny fitsarana mafimafy kokoa.”

 

Tena fampieritreretana ity hafatry ny Apostoly ity ry havako, fa izay miray sy miombona aina amin’i Kristy dia iray fanahy aminy koa, ka mandao ny ota rehetra amin’ny endriny rehetra na dia izay heverina ho bitika indrindra aza.

 

Ny firaisana sy ny fiombonana amin’ny Tompo tokoa dia tena arofanina ho an’ny mino mba handosirany ny fijangajangana sy ny fahotana izay mampisaraka ny olona sy ny olona ary ny olona amin’Andriamanitra.

 

Miara-mandresy ny fahotana amin’ny Tompo izy ary mitafy ny fahamasinana. Koa raha iray fanahy  amin’i Kristy isika dia tena iray Aminy; koa ny Tenan’ny Tompo àry dia tokony  hampiasaina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra amin’ny maha olom-boafidin’ Andriamanitra ny mino. Ilaina ho hita isan’andro eo amin’ny fiainan’ny mino sy ny fitondrantenany izany maha an’i Kristy azy izany.

 

Meteza ary hanova ny toetrantsika mba ho tena iray fanahy amin’i Kristy tokoa isika mba hahita marina ny Voninahitr’Andriamanitra.

 

 

 

 

 

 

 

 

Dernière mise à jour de cette page le 17/03/2010

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum