MAHITA FIADANANA NY MPIVAVAKA MARINA

Alakamisy  30 Jolay 2009

 

MOFON’AINA  ANIO

 

MAHITA FIADANANA NY MPIVAVAKA  MARINA

 

Lioka 2.25-35

« Ary indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema ;ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Israely ;ary ny Fanahy Masina dia tao aminy. »and.25

 

Io andiny  faha 25 amin’ny Filazantsaran’i Kioka io indray ry havako no hafatra sy mofon’aina atolotra antsika mianakavy.

Ny mpivavaka marina eo anatrehan’Andriamanitra no mahita fiadanana,izany no tian’ny Soratra Masina asongadina eto.

Tsy ny olona na isika no hanora-tena ho marina sy mpivavaka mahatoky fa ny hafa sy ny manodidina antsika no mahita ny atao,ny toetra sy ny fiaimpiainantsika ka hahazoany mamaritra ny momba antsika.Ary izany no aseho  eto momba an’i Simeona « ary indro nisy lehilahy atao hoe :Simeona……ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany. »Lehilahy nazoto nankeo amin’ny tempoly izy.Ny fanahy Masina no nanambara taminy ny amin’ny tsy hahitany fahafatesana raha tsy mahita ny Mesia.

Simeona no endriky ny marina voalazan’ny Testamenta Taloha izay mivoha amin’ny fandraisana ny Fanekem-pihavanana vaovao.Tsy nanana ahiahy intsony na dia ho tonga aza ny fahafatesana  satria efa hitany ny fahatanterahan’ny faminaniana ny amin’ny Mesia.

Fa inona tokoa moa no nanaovana mpivavaka tsara sy marina ?

1-Velona tamin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina 25-28

Tao amin’i Simeona  ny Fanahy Masina ary natoky ny teny fikasana  momba ny Mesia izy,ka nitoetra tamin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana ary tsy nivadika tamin’izany sady tena mpivavaka tsara.Nihaino ny bitsiky ny Fanahy izay nitarika azy hatrany teo amin’ny nataony.

Ny mpivavaka marina ry havako, dia voamarika eo amin’ny fiainany izany ary manaiky ho tarihin’ny Fanahy Masina ary mahazo antoka ny fiadanana homanin’ny Tompo ho azy.Nazoto nankeo amin’ny Tempoly Simeona ary niharihary fa tonga fiainany koa izany fiandrasana ny Tompo izany ka tanteraka  tamin’ny fahitany ani Jesoa.Izany no ambaran’ny Soratra Masina fa naharesy ka tonga andry eo amin’ny Tempolin’Andriamanitra,azo antoka sy hianteherana tokoa noho ny fahamarinany.

Ho antsika koa ry havako,dia tokony ho fanontaniana tonga eo amintsika isan’andro izao:feon’iza ary feo inona no henointsika mba hahatonga antsika ho marina sy mpivavaka tsara?Iza no lohalaharana  mitarika  antsika?Tsarovy fa ny Fanahy Masina izay nomen’Andriamanitra  antsika sy mitarika antsika no mahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra,ka izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra sy afaka mifandray aminy sy tsara fifandraisana amin’ny hafa koa.

2-Velona amin’ny fiderana an’Andriamanitra  29-35:

Izany   no hitantsika amin’ireo andininy ireo,sady nidera an’Andriamanitra no naneho koa ny fankasitrahana :Tompo ô!ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana araka ny Teninao, fa ny masoko efa nahita ny famonjenao.Tsy misy mihitsy olona mahay sy afaka hidera an’Andriamanitra raha tsy nandray sy nanaiky ho tarihin’ny Fanahy Masina.Fiderana noho ny fahatsapana ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny famonjeny.Noho ny fahalalany fa Jesoa no ho fananganana sy fanavotana ny maro sy mpamonjy.

Ry havako, ny olo-marina sady mpivavaka tsara dia mahay midera ny Tompo noho ny fahalalany azy.Tsy mahafantatra fotsiny fa tena velona tokoa ao aminy ka tonga olom-baovao nateraka indray.

Ny fisehoan’i Jesoa Kristy no mamadika izao tontolo izao feno fireharehana sy avonavona ary fisarantsarahana ka izay matoky Azy dia tafakambana ho ankohonana iray sy feno ny fanetren-tena ary velona amin’ny tena fitiavana .

Ary dia niray saina izy rehetra……ary ny olom-bonjena dia nanampin’ny Tompo ho isan’ireny isan’andro hoy ny Soratra Masina,izany no tian’ny Asan’ny Apostoly aseho ao  amin’ny 2.43-47:fiombonana noho ny finoana sy ny fanekena ho tarihin’ny Fanahy Masina,ary velona  amin’ny fitiavana.

Ry havako ,mahita ny tena fiadanana ny olona  manaiky an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany manokana ary izany dia hita sy raisina dieny izao noho ny finoana.

Mba ho isan’izay mandray sy velona eo ambany fitarihan’ny fanahy Masina koa anie isika ka hahita ny Fiadanana feno sy ny Fifaliana izay omen’i Jesoa Tompo.

Samia ho tahian’Andriamanitra ry havako.

 

Dans toute confiance et foi en Dieu le vieux Siméon attendait la venue du Messie et se réjouit quand Joseph et Marie apportèrent l’enfant Jésus pour accomplir les prescriptions de la Loi à son égard. « Maintenant Souverain Maître (Le Seigneur),tu peux,selon ta parole,laisser ton serviteur s’en aller en paix ;car mes yeux ont vu ton salut,que tu a préparé à la face de tous les peuples,lumière pour éclairer les nations»

La vérité divine ne s’attarde pas à s’accomplir pour donner la paix à quiconque le croit et c’est pour cela qu’Il a envoyé son Fils Unique Jésus afin que nous ayons la vie éternelle  et la paix.

Le juste , vrai croyant et pieux  ne crie pas de sa justice ou bien qu’il est vraiment pieux ,mais il crie la gloire de l’Eternel et le Salut en Jésus.  

La venue de Jésus l’espérance nouvelle et notre nouvelle alliance envers Dieu Lui-même. Le cantique de reconnaissance  de Siméon nous souligne la dimension universelle du Salut accompli en Jésus  et lève le voile sur l’action future de Jésus :son œuvre libératrice.

Ce chapitre nous interpelle à relire de nouveau notre foi et notre espérance et de renouveler de jour en jour notre espérance et notre foi en Jésus.

La question que nous devons poser chaque jour est :Est-ce que je crois vraiment en Jésus Christ ?pourquoi la religion Chrétienne ne s’est pas anéantie jusqu’à ce jour ?Pourquoi bon nombres de gens croient en Jésus et l’adorent ?

Une juste et simple réponse :L’histoire et la venue de Jésus au monde n’est pas un conte ou une légende,c’est une réalité éternelle. L’accomplissement  de l’Ancien Testament et sa continuité pour   la nouvelle Alliance entre Dieu et l’humanité se sont réalisés en Jésus. Jésus Christ est notre nouvelle Alliance avec Dieu et nous devons le croire sans hésitation pour que nous soyons  des vrais croyants et pieux        

 

Dernière mise à jour de cette page le 29/10/2009

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum