NY LALAN'NY FANAMBINANA

ALAHADY  22 NOVEMBRE 2009

 

 « Nambinina izy »

 

II  TANTARA  31.20-21

 

NY LALAN’NY FANAMBINANA

 

Ry havana,

 

Tamin’ny andron’i Ahaza mpanjaka dia nanjakan’ny fanompoan-tsampy fanjakany.Nandeha nanompo andriamanitra tsy izy ny olona ary feno faharatsiana ny firenena. Hatramin’ny zaza vao teraka avy no natao fanatitra ho an’ireo andriamanitra tsy izy ireo.Ny fanaky ny Tempoly no natao tsinontsinona . Tsy nisy intsony ny fahendrena sy ny finoana an’Andriamanitra velona  ka nahatonga ny faharavan’ny firenena izany.

 

Fa  Hezekia mpanjaka zanany kosa dia tena nanao izay marina sy mahitsy teo imason’ Andriamanitra. Nanarina indray ny fireneny,namerina ny fandaminana sy ny fanadiovana ny Tempoly ary nametraka amin’ny tokony ho izy ny anjara raharahan’ny mpitantana tao amin’ny Tempoly sy ny firenena.(29.3-19)Niverina tamin’ny laoniny indray ny fivavahana tamin’Andriamanitra Velona sy Marina.

 

 Eto dia tena  tsy nitoetra ilay fiteny hoe  « izay adala no toa an-drainy »,tsy nanahaka ny toetr’i Ahaza rainy Ezekia fa feno fahendrena sy fahatahorana an’Andriamanitra.Nambinina tamin’izay nataony izy,fa inona kosa ary no ataontsika mba hahatonga ny fanambinana amintsika tahaka izany koa ?Ny làlan’ny fanambinana ary dia :

 

1-MANDEHA AMIN’NY FAHAMARINANA

 

Tsy mba nataon’i Ezekia tsinontsinona ny fahamarinana sy ny fahatokiana an’ Andriamanitra,fa nanao izay tsara sy marina tokoa izy ka nankasitrahana sy nambinina. Nataony araka ny Sitrak’Andriamanitra ny fandaminana rehetra ary nomena ny tokony sy sahaza azy na ny vahoaka na ny mpanao raharaha tao amin’ny Tempoly.Nialany ny fitiavan-tena sy ny kolikoly, fa ny fiverenan’ny olona tamin’Andriamanitra no nilofosany ka nanarenana sy nanadiovana ny Tempoly. Tsy mba toa andry Ananiasy sy Safira ao amin’ny Testamenta Vaovao  izay nitoeran’ny fitiavan-kely sy nanao ny tsy marina .

 

Vain-dohan-draharaha  voalohany nataony dia ny fandravana ireo tempolin-tsampy, ny  fanadiovana ny Tempoly ary ny fanarenana izay faharavana nisy noho ny fanompoan-tsampy sy ny fitiavana-tena tamin’ny andron’i Ahaza rainy.

 

Nanao araka izay tratry ny heriny tokoa izy hampiverina ny olona amin’ny olona amin’ Andriamanitra Velona indray.

 

Naharihariny fa zava-poana ny fivavahana amin’Andriamanitra velona raha mbola ampifangaroana amin’ny fanompoana andriamani-kafa sy ny fampianaran-diso  izay mandranitra ny fialàna amin’Izy Andriamanitra velona ka mitondra ny tsy fahatokiana, toy izany koa ny endrika fanompoan-tsampy  amin’ny fomba samihafa.

 

Mety hiteny ny maro hoe :  «  izahay angaha manompo sampy intsony » mety marina izany, fa ny fitiavana-tena,ny fifankahalana ,ny fitiavam-boninahitra  eny ny fiheverana ny finoana ho tsy maintsy atao fa tsy fiainana dia endriky ny fanompoan-tsampy  avokoa ireny. Firy moa ny olona no mbola mitoky amin’ny resaka horoscopes sy ny oracles samihafa ? tsy vitsy no mbola milaza fa mino ka manao hoe « ny an’Andriamanitra lolohavina fa ny an’ny tena sakelehina »kanefa saiky ny mifanohitra amin’izany no mitranga.

 

Eto ry havako,dia maneho amintsika ny Soratra Masina fa ny fahaiza-mandamina,ny fanaovana ny marina ary ny fahatokiana an’Andriamanitra velona no làlana mitondra ho amin’ny fanambinana. Mitaky finoana lalina sy fandavan-tena ary fanetre-tena izany kanefa hanomezan’Andriamanitra fitahiana tokoa.Fa raha tena velona amin’ny finoana ny kristiana dia ho tanteraka aminy ny teny fampanantenan’i Kristy hoe « indro izaho miaraka (momba) anareo mandrakariva.

 

2-MANDEHA AMIN’NY FAHATOKIANA  AN’ANDRIAMANITRA

 

Tena zava-dehibe ny fahatokiana an’Andriamanitra tao amin’i Ezekia mpanjaka ka nanambinan’ Andriamanitra azy.Nataony tamin’ny finoana sy ny fony manontolo  ny asa.Tamin’ny faharesen-dahatra  tsy nisy fitaka sy fihatsaram-belatsihy izany ka nanambinan’Andriamanitra azy.

 

Ny asa sy ny fanoloran-tena tamin’ny fahatokiana tao amin’i Ezekia anefa dia nomban’ny fahasahiana  sy ny fiankinana tamin’Andriamanitra velona. Izy mpanjaka mihitsy no nitodika tamin’Andriamanitra  ary nitady Azy,ka izay rehetra nataony dia nankininy tamin’Andriamanitra.

 

Raha manana finoana toy izany koa ny mpitarika rehetra ka mametraka sy manankina ny ataony rehetra amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy dia ho feno fitahiana tokoa ary ny vahoaka handry fahizay. Raha ny mpino kristiana rehetra no mametraka ny fanahiany amin’Andriamanitra dia hahita fahombiazana amin’izay ataony rehetra.

 

Fa Ezekia mpanjaka,dia izy mihitsy no nitarika ny vahoakany hiankina amin’Andriamanitra, ary izany dia manambara fa na inona na inona atao dia ny fiankinana amin’Andriamanitra ihany no hahalavorary izany.(Ankino amin’Andriamanitra ny asanao  ary matokia Azy fa hataony tanteraka)

 

Indraindray anefa ny mpino kristiana no tsy tena mametraka ny momba azy amin’Andriamanitra  ary matetika aza amin’ny fotoanan’ny manahirana vao miantoraka eo amin’Andriamanitra,ka nahatonga ity olona iray hilaza hoe « soa fa nisy ny manahirana hitadiavana an’Andriamanitra,fa raha tsy izany dia nohadinoina tanteraka Izy »

 

Ny tena fanavaozana lehibe ilain’Andriamanitra amintsika ry havako,dia ny fanekentsika hiankina tanteraka amin’ny herin’Izy Andriamanitra,ny fanolorantsika feno ny fiainantsika ho tefeny sy amboariny hifanaraka amin’ny Sitrapony  ka hahatonga antsika ho olom-baovao tokoa. « fa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy »

 

 

Ry havako,dia ho tanteraka aminao tokoa anie izany fanahin’ny fihavaozana sy ny fanavaozana izany mba hanaovana ny Sitrak’Andriamanitra amin’ny atao isan’andro,ary hitondra ny fanambinana sy ny fitahiana rehetra eo aminao.

¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤

Le roi Ezékias fils d’Ahaz est un des rois fidèles et observant la volonté de l’Eternel pas comme Ahaz  incrédule au Dieu vivant et qui s’est prosterné devant les idoles  et les statuettes des Assyriens.

 

Lui Ezékias  réformateur qui redonne a son royaume et au temple de Jérusalem sa pureté et sa grandeur.

 

Dans toute les menaces  assyriennes Ezékias affronte et remet  son courage,   sa confiance et exhorte son peuple à faire confiance et attendre le secours de L’Eternel Dieu.  

 

Nous aujourd’hui aussi si nous voulons acquérir la prospérité et le succès de nos actes, la Parole de L’Eternel nous appelle à faire confiance en Lui L’Eternel et accepter en toute liberté sa volonté afin que la bannière de la victoire de la foi soit élevée au plus haut et que nous sommes  des croyants fidèles  ainsi le Seigneur agira à notre cause.

 

Dernière mise à jour de cette page le 23/11/2009

Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum