ZOMA 13 NOVEMBRE 2009
NY MOFON’AINA
I TESALONIANA 1.1-10 HIRA 428
« FA FANTATRAY, RY RAHALAHY MALALAN’ANDRIAMANITRA ,NY FIFIDIANANA ANAREO » I Tes.1.4
« NOFIDIAN’ANDRIAMANITRA »
Ry havako,
Faly indrindra mamangy sy mirary soa ho anao amin’ny anaran’i Jesoa Tompo ary ny Fiadanan’Andriamanitra anie ho aminao sy izay rehetra momba anao .
Ny I Tesaloniana 1.1-10 no atolotry ny mofon’aina ho antsika anio, ka ny andininy 4 no mamintina izay hafatra rehetra ifampizarantsika eto. Paoly,Silasy ary Timoty no miara-mandefa ny taratasy famangiana sy fanehoana ny fifaliana ny amin’ny fifidianan’ Andriamanitra ny mino tao Tesalonika ary maneho amin’ireo kristiana tao ny fifaliam-po ny amin’ny fiainana sy ny finoana nananan’izy ireo. Tesalonika no renivohitry ny faritany Makedonia eo avaratra atsinanan’i Grèce.
Raha tsaroantsika fa i Paoly dia nahita fahitana momba an’i Makedonia, nisy ilay niantso azy tamin’izay hoe :Mità mankaty Makedonia ka vonjeo izahay. Antso ho amin’ny famonjena sy filazantsara ho an’ny olon-drehetra.
Faly Paoly noho ny finoana lalina tao amin’ireo Tesaloniana ireo ary nisaotra an’ Andriamanitra noho izy ireo tonga ohatra ny amin’ny finoana sy ny fifidianan’Andriamanitra ho an’ny fiangonana tamin’ny faritra hafa.
Tsy nampahery azy ireo haharitra amin’izany finoana izany fotsiny ry Paoly fa nampirisika azy ireo koa handroso lalandava eo amin’ny fiainana kristiana sy nanome ny valinteny ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fiavian’i Jesoa Tompo indray. Ity taratasy ity, dia manazava amin’izay rehetra misalasala ny amin’ny fisian’ny fiafaran’izao tontolo izao. Manome hery ny mino rehetra sy mampahatsiaro koa fa ny zava-dehibe dia ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny izany fanantenana izany.(4.17)
Ataoko ry havana fa na izaho na ianao,dia samy maniry ny handray ny fankasitrahan’ny Tenin’Andriamanitra, toy izany koa hoe :mpino sy fiangonana vavolombelona tonga fianarana ho an’ny hafa noho ny fifidianan’Andriamanitra.Indrindra manoloana ny hotakotaky ny fiainana ankehitriny ,ny fisamatsamahan’ny fiangonan’Andriamanitra izay samy mandrirotra amin’izay tiany hanaovana azy ka ny mpino indray no sahirana ary ny tsy mino vao maika koa mahazo vahana.
Dia mba ho mpino sy fiangonana tena mitana ny finoana sy ny fifidianan’Andriamanitra tokoa anie ianao sy ny fiangonanao ,fa tsy ho mpila sitraka na voninahitra sy hampiseho ny endrika ivelany fotsiny, fa mba ho tena fiainana tokoa ny nifidianan’Andriamanitra.
Ny hafatra àry dia izao :
1-IZAY NOFIDIAN’ANDRIAMANITRA MAHAY MANDRAY ANDRAIKITRA
Nampiarahan’i Paoly amin’i Silasy sy Timoty ny fiarahabany ny fiangonana tany Tesalonika. Aseho fa ny fisian’ny Fiangonana tao, dia tena Fitiavan’Andriamanitra ny mino ary nanorina azy ho fiombonana masina eo anivon’izao tontolo izao.
Nandao ny fanao fahiny sy ny fanompoan-tsampy ka naneho miharihary ny Safidin’ Andriamanitra. Finoana tonga ohatra ny an’ireto Tesaloniana ireto fa na dia tao anatin’ny zava-manahirana aza (fanenjehana,fanoherana,fiainana)dia nasehony ny fahavononana handray ny Vaovao Mahafalin’ny Famonjena .
Toy izany koa ry havana no tokony ho fiainan’ny fiangonana sy mino izay nandray ny famonjen’i Kristy. Tsy ho variana amin’ny anarana sy ny fifampitsikerana fa ny haneho miharihary ny Voninahitr’Andriamanitra ka ho tena vavolombelona kosa. Fa raha tahaka ny finoana nananan’ireto Tesaloniana ireto no iainan’ny Fiangonana ankehitriny dia tena hiharihary isan’andro koa ny Voninahitr’Andriamanitra.
Fiangonana ,mpino nahay nandray andraikitra fa tsy nifanilika ,ary nahatsapa ny fifidianan’ Andriamanitra azy ireo.
Tena zava-dehibe teo amin’ny olom-boafidy ny fandraisana andraikitra, fa raha tsy izany dia ho tonga ny fahakiviana eo amin’izay nifidy azy.Paoly,Silasy,Timoty nahatsapa ny fiantsoana azy ireo nandray andraikitra,ka nampita koa tamin’ny fiangonana tao Tesalonika ny fifaliany ny amin’ny andraikitra noraisin’ny fiangonana sy ny mino noho ny Fifidianan’Andriamanitra azy .
Ny mino mandray andraikitra no mahay manome Voninahitra an’Andriamanitra,sady miasa amin’ny finoana no tanterahiny koa amin’ny fitiavana izany. Io fandraisana andraikitra io ry havako no endrika hanehoana ny finoana ety ivelany miampy ny toetra,ny fomba sy fanao. Ny fanatanterahana izany amin’ny fitiavana sy ny fikelezan’aina na inona na inona mety ho sedraina, dia ekeny nefa koa anantenany an’Andriamanitra nifidy azy. Ary marina ilay fitenenan’ny malahelo sy ny ohabolana hoe : « Andriamanitra tsy andrin’ny hafa andriko ihany na ny tany aza be toratoraka , ao ny Lanitra mbola hangoraka. ». Io ry havana dia nahazo ny Tesaloniana nefa nasehony miharihary ny finoany tamin’ny fandraisany andraikitra, ka nanaovan’ny Apostoly hoe : « Fantatray, ry rahalahy malalan’Andriamanitra , ny fifidianana anareo. »
Ry havako,olom-boafidy avokoa ny mino rehetra nandray an’i Kristy ,ka tsy ny mino indray no tsy hahalala ny andraikitra tokony ho raisiny ho Voninahitr’Ilay nifidy azy . Raha tsy hoe hanao toy ity ohatra ity angaha « Nirahina ilay zaza,ka nandà mafy ny tsy handeha fa milaza fa lavitra satria tsy ho azy irery ilay anirahana azy fa iombonan’ny fianakaviana, nefa nony avy eo nisy namana niantso hamonjy bal, làlana lavitra ary tsy misy fiara.Niady mafy isakaiza mba handeha na lavitra aza ny, dia ny ho any aho ihany no nasesiny ,niaritra nitsinjaka nandritra ny alina satria « tiana ka !sitrapo,safidin’ny tena….Tsy afa-nitaraina rehefa nody na reraka aza ,ndrao tonga amin’ny hoe ianao anie nirahina tetsy nilaza ho lavitra,fa raha andeha hitsinjaka na ampolo kilaometatra aza atao dia an-tongotra tsy reraka e.(Mampahatsiaro an’i Benandro izany ry havako,avelao aho mba andeha,avelao aho mba andeha ».
Ny mpino mahatoky kosa,mahatsiaro ny fifidianan’Andriamanitra azy ,dia tsy mikely soroka mandray andraikitra ho fanehoana ny Voninahitr’Andriamanitra.
2-IZAY NOFIDIAN’ANDRIAMANITRA MAHARITRA NY ZAVATRA REHETRA
« Izany ihany ny ahy no tsy hidirako amin’io raharaham-pinoana io,miaritra ,miaritra foana »hoy ilay olona izay . Kanefa ny manana faharetana ihany no mahazo ny vokatra tsara,ary ny mpamboly raha mamboly,dia manantena ny ranon’orana nefa koa maharitra miandry izay vokatry ny namboleny. Dia toy izany koa ny faharetana eto,io no mahatonga ny fahatsaram-panahy voazaha-toetra ,fa ny olona tsy manana faharetana dia tsy azo antoka koa eo amin’izay ataony,ary marina izany.
Na eo amin’ny finoana na tsy amin’ny finoana ,ny faharetana no mitondra amin’ny fanantenana ary ny fanantenana no manome ny vokatr’io antenaina io. Matoa mitoetra amin’ny finoana ny mpino,maharitra amin’izany dia manantena koa ny vokatry ny faharetany ho amin’ny fanantenana ny ho avy.
Ny mpanompo mahatoky (ny mpino),dia olona manana faharetana amin’ny zavatra rehetra, maneho amin’ny asany ny herin’Ilay niantso azy,mba hahatonga azy ho fianarana ety amin’izao tontolo izao koa.
Sahy mijoro amin’ny finoany na amin’ny mora na amin’ny sarotra, na dia atao hoe ny mangidy indrindra aza. Izany no fiainana sy fampiharana ny finoana teo amin’ireo mpino tany Tesalonika ary fianarana ho an’ny mino rehetra koa izany.
Ny mpino mahatoky ? Tsy olona mpanao tsobo-dranon-dramiangaly,ka raha marivorivo ny rano miditra fa raha lalina kosa ,dia tsy izy aho . Finoana anie izany, ary finoana maharitra sy tafatoetra, fa tsy sarintsarim-pinoana akory sanatria.
Ankehitriny amin’izao androntsika izao, dia mihazakazaka izay tsy izy ny fampandrosoana marolafy sy ny fanaovana ny zavatra rehetra ho an’izao tontolo izao,atao manaraka ny fanaon’ izao tontolo izao sy ny zava-misy eo aminy avokoa ny fiainana. Fa ny tsy fanarahana izany dia toy ny bado na tsy maharaka ny toetr’andro (décroissant hoy ny fiteny vahiny).Io fandrosoana marolafy sy fanatontoloana io no isarihana ny maro handroso ho ao aminy. Tsy ratsy ho azy akory izany,fa ny mpino kosa dia tokony hahay mamantatra ny zavatra rehetra ary mihazona izay tsara. Izany no maharitra ny zavatra rehetra.Fianarana ho antsika izany ary ny ohatra velona ny amin’ny finoana tamin’ny mpino sy ny fiangonana tao Tesalonika ,dia azo itarafana ny fiangonana sy mpino tena vavolombelon’ny fiantsoana .
Ry havako :mety misy andraikitra omena na tànantsika nefa mampitondra fahoriana noho ny fankahalana,ny fanenjehana,ny fieboeboan’ny hafa na ny fanesoana mety ho azo koa aza,fa ny faharetanao amin’ny finoana dia vita izany noho ny fifidianan’Andriamanitra.
Fa na ny Soratra Masina aza dia milaza fa misy mitondra fahoriana mafy noho ny finoana kanefa afaka naneho ny fijoroany ho vavolombelona.Isika ankehitriny no zary tsy mahazaka hoy ny fitenenana fa « mitady tany malemy hanorenam-pangady ».Kanefa hoy ny Apostoly :tsy hisy hahasaraka antsika amin’ny Fitiavan’i Kristy fa mihoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alàlan’Ilay Tia antsika.
Dia ho tanteraka aminao hatrany tokoa anie ny Fifidianan’Andriamanitra,ny Fitiavany mba haharetana hatrany amin’ny finoana nefa manantena ny vokatra tsara omen’ny Tompo.
Ho Tahian’ny Avo indrindra ry havako.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum