Vaovao Fiangonana

Fankalazana ny Noely 2008

Hiaraka ny Fitandremana Montrouge sy Champigny aminy fanompoam-pivavahana fankalazana ny Noely ny 25 Desambra 2008.

Fanompoam-pivavahana iraisana

Hisy fanompoam-pivavahana hiarahan'ny Fitandremana Fjkm rehetra aminy Alahady 30 Novambra 2008 ao amin'ny ERF de l'Oratoire du Louvre.

Fanompoam-pivavahana Champigny sy Montrouge : volana Desambra 2008

Hiaraka hivavaka ao aminy ERF Champigny ny Fitandremana Montrouge sy Champigny ny Alahady 14 Desambra 2008. Hisy Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo amin'izany. Dia mbola hisy fotoam-pivavahana hiombonana ihany koa ny 21 Desambra 2008, izay hatao ao aminy ERF Montrouge.

Ao aminy Fitandremana Champigny

Haroso ny Alahady 07 Desambra 2008 ny "pot de l'amitié" fanaon'ny Fiangonana.

 

TAONA 2009 

Volana Janoary

-      Ny asabotsy 31 janoary 2009 izao, ny STK eto amintsika, dia hanatrika ny fanasan’ireo STK Montrouge amin’ny alim-piravoravoana izay karakarain’izy ireo, ao amin’ny Château, 7 rue du Baron de Nivière, Villebon/ Yvette 91140.

-      Ny fotoam-pivavahana manaraka, dia amin’ny heriny anio, ny alahady 01 febroary 2009 ho avy izao, fotoana Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo eto amintsika io fotoana io. Hanomboka amin’ny 4 ora ny fotoam-pivavahana, ny Sampana Sekoly alahady sy ny Chorale dia amin’ny 3 ora.

Volana Febroary

-      Ny alahady 8 febroary 2009 dia eto Champigny ihany ny fotoam-pivavahana, ary hanomboka amin’ny 4 ora.

-        Ny fotoam-pivavahana manaraka, ny alahady 15 Febroary 2009, hanomboka amin’ny 4 ora. Ity fotoana ity dia fiaraha-mivavaky ny Fiangonana FJKM rehetra aty ampitan-dranomasina ka ao amin’ny FJKM Montrouge no hanatanterahana izany : Eglise Saint Joseph 101 avenue Jean Jaurès 92120 Montrouge Métro Chatillon Montrouge

-      Ny alahady 22 febroary 2009, dia hanomboka amin’ny 4 ora ny fanompoam-pivavahana eto Champigny, ireo Sampana Sekoly Alahady sy ny STK-Chorale dia amin’ny 3 ora.

Hisy ny Akatoky ny fandraisana

Hanomboka aminy 3 ora sy fahaefany ny fianarana katekomena

 

  Famangina ny fitandremana gland (suisse) : Sabotsy 16 mey sy alahady 17 mey 2009

                                    Tanteraka soa aman-tsra ny famangiana ireo havana tany amin'ny Fitandremana Gland. Ny

 

sabotsy 16 mey dia efa nandray ireo vahiny avy aminy fitandremana eto Paris sy avy any aminy

fitandremana Nantes sy ny manodidina. Fanompoam-pivavahana fisaorana sy fanomezam-boninahitra

 

an'Adriamanitra noho izao fihaonana izao no nasandratra ny alahady 17 mey 2009.

 

 

 

 

 

 

    

 

 

 

 

 

 

 

 

 


Créer un site gratuit avec E-monsite.com - Signaler un contenu illicite - Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum