|
Mbola ao anatin’ny Loha-hevitra hoe « Mitondra aina ny Finoana » isika anio.
Raha namaky tsara ny Soratra Masina teo isika dia hahitantsika fa ny Mino izay tena mandray fiainana tokoa, dia tsy mijanona fotsiny amin’izao fa tsy maintsy misy ny olona manaraka azy. Satria fantatry ny olona fa io olona mino io dia misy fiainana koa izay zarainy. Izay no voalazan’Isaia teo hoe : “ ny firenena izay tsy fantatrao no hanatona anao” Satria efa nomen’Andriamanitra voninahitra ianao, Andriamanitra miaraka amin’ny olona izay mino Azy, ary teny fampanantenana izany. Satria anio dia alahadin’ny Baiboly eran-tany dia mifanandrify indrindra amin’izany Alahady izany ny hoe : ny Boky 66 dia milaza fiainana , tsy hoe tantara fotsiny ihany, na boky tsotra fotsiny ihany fa avy amin’ny Tenin’Andriamanitra io no hahatanterahantsika sy hatakarantsika fa mitondra fiainana ny Finoana.
Raha mamaky any Jaona 6, Jeso Kristy manambara ny tenany ho mofon’aina ary ny olona rehetra mihitsy no ambarany sy hanehoany ny fitahina sy ny fahasoavany ary dia hanasany ny olona rehetra koa izany mba hifidy fiainana satria ny fanambarana fiainana dia aseho amin’ny fomba hatakaran’ny maro azy. Jaona 6, izay antsoina hoe Filazantsaran’ny Fitiavana dia hahitantsika fa rehefa namoky olona tsy omby dimy arivo ny Tompo dia avy amin’iny zava-nisy iny no nampitany ilay fiainana mandrakizay ka nanaovany hoe : “Izaho no mofon’aina”; Ka raha olona ao anatin’ny hanoanana kosa moa no hilazany izany hoe “ Izaho no mofon’aina, izay mihinana Ahy tsy ho faty mandrakizay , Izaho no rano velona , izay misotro Ahy, tsy hangetaheta intsony”, dia raisiny ara-bakiteny izany ka rehefa indro fa tonga ilay mofon’aina dia omeo anay izany mofo izany hoy izy, omeo anay izany rano izany. “Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra mba tsy ho faty izay rehetra mihinana azy”. Tsy ho faty mandrakizay, fa misy fiainana sy fanantenana omen’Andriamanitra azy.Fa izay rehetra mandray sy mihaino ny tenin’Andriamanitra tokoa dia mahazo fiainana ary hahazo izany tsy eto ihany fa santatra ny eto. Ny korontana any Madagasikara, ohatra : ny mpitarika manao hoe” izaho mangeteheta, mitady toerana ".., fa ny olona dia noana . Raha teo tokoa Jesoa Kristy no niteny hoe “Izaho no mofon’aina dia tsy nisy nandeha nirotaka ny olona. Fa tsy niainan’ny olona ilay Tenin’Andriamanitra, dia lasa nibolisatra ny olona.
Eto Jeso Kristy dia manambara ny tenany amin’ny hoe : mofon’aina ary fiainana ny finoana. Fampiarana mivantana ny fampianarana nataony tamin’ny alalan’ny fanomezana hanina ny olona marobe io sady fomba hanehoana ny zavatra tsy hita , ho tonga azon’ny olona raisina tànana ity amabaran’ny Jeso Kristy eto

Misy koa anefa diso fandray ilay hoe fandraisana fiainana sy hoe finoana ny Tenin’Andriamanitra. Tonga ny misionera tany amin’ny faritany bara fahiny nitory : mibebaha ianareo , ity no tena fiainana, izay mino an’ity dia ho velona mandrakizay, izay mino ity dia hahita fiainana . Aminy ry zareo anefa ny teny hoe mino dia mihinana no dikany. Satria ao amin’ny Soratra Masina dia misy miteny hoe :”Endre ny hamamin' ny teninao nanandramako, fa mihoatra ny tantely ato ambavako”. Ezekiela dia niteny hoe “nohaniko ny oronan-taratasy”. Inona ny zava-niseho ? Nozaraina ny Baiboly. Tsy nazavain’ ny misionera ny fomba fampiasa io Tenin’Andriamanitra io, fa hoy izy : “na inona na inona no mahazo anao dia ity ihany hatokisana”. Afaka iray volana taorian’ny nahalasan’ny misionera, nisy aretina nandalo. Inona no natan’ny olona , nandrahoiny ny Baiboly, nataony lasopy. Dia nosotroiny ary dia sitrana tokoa ry zareo. Nony niverina ny misionera dia nahita ny hevi-dison’ireto olona ireto. Diso, tsy izany no fandraisana ny Tenin’Andriamanitra, tsy hanina. Fa inona no hambarany ao ? Izay no raiso. Izay no lazain’I Jeso Kristy : “Izaho no mofon’aina, foto-piainan’ny olona amin’ny maha-olona Ahy, ampiarina sy amin’ ny fiainana eo amin’ny faneoana mandrakizay
Ary izany dia ny fiainana iray manontolo nomen’Andriamanitra amin’ny finoana. Tahak’izany ny rano, fiainana ny rano. Any Israel ny rano no atao hoe aina. Raha azo atao aza dia tsitsina mafy , vidina lafo satrria aina;. Izay fiainana izay no nasehon’i Jeso Kristy tamin’ny alalan’ny Tenany. Izany hoe ny fakatoavanao ny sitrapon’Andriamanitra sy ny tenin’Andriamanitra ary ny finoanao azy no hanananao fiainana. Jeso Kristy manambara ny tenany dia Andriamanitra mihitsy no miantoka ny fitahina sy izany fiainana izany
Inona tokoa moa no tokony ho raisintsika ? Milaza inona amintsika izany hoe mivavaka, mamaky ny Tenin’Andriamanitra izany ? Fa misy ny olona izay tonga, satria ao aminy fiangonana no hahitany ny namany , tonga izy satria eo no mba afahany mifanerasera aminy mpiray tanàna. Fa ny vavaka dia ny fifandraisantsika aminy ‘Andriamanitra. Izy mihitsy no hifandraisantsika ary hihatrehana koa sy hanantenana ny ho avy ary izany no tokony ampandini-tena ny Fiangonana. Tena hiainako tokoa ve fa io tenin’Andriamanitra io no atsapako fiainana ? Taiza ianareo ? Tany am-piangonana, niangona fa tsy nivavaka ! Mba tsy ho izany ny fiainan’ny Fiangonana, fa tena hifandray tokoa amin’Andriamanitra, ka atsapany fiaianana . Izay no nahatonga ny Tompo hiteny hoe :” Andramo ka izahao fa tsara Jehovah” ary izany no maneho fa tonga iray aina ao amin’ny Kristy ny mpino, tsy iray aina fotsiny fa miombona tanteraka Aminy ka mampiatra izany eo aminy ataony
Izay no mahatonga ny hoe ny Fiangonana tsy ny assemblée fa ianao io, isika tsirairay io no atao hoe fiangonana. Ary isika no taratry ny fahazavan’I Kristy eo amin’ny ataontsika isan’andro , nefa koa mba tsy ho diso fiantefa izany ka anaovantsika hoe izay rehetra tadiavina amin’i Kristy dia azoana fiainana. Ka manjary fitaovana , lasa instrument Jeso Kristy., ampiasaina amin’izay ilana azy. Tomponao Jeso Kristy ary raha Tomponao Izy dia ankatoavy. Izy koa anefa miteny hoe : “tsy ataoko hoe mpanompo ianareo, fa ataoko hoe sakaiza” Ary amin’izany rehetra izany no andraisantsika hoe : Jeso Kristy dia tsy “robot”. Andriamanitra miasa ao amintsika manome antsika fiaianana
“Ny firenena tsy fantatrao hanantona anao, izy hanome anao voninahitra satria fantany ianao ary Jeso Kristy koa niteny : “ianareo no vavolombeloko” .Ary izany dia hatanterahantsika ny sitrapon’Andriamanitra. Ka izao Alahadin' n y Baiboly izao dia samy haneho amintsika fa tsy mianatra fotsiny ny Baiboly isika, fa raha mianatra fotsiny dia be ny hilaza hoe manana ny doctorat en théologie aho etc,...Hananao izany rehetra izany fa rehefa tsy hiainanao dia boky toy ny boky tsotra rehetra ihany ny Baiboly. Ny tenin’Andriamanitra tsy hianarana fotsiny fa hiainana arak’izay sitrapon’ Andriamanitra.
Ao amin’ny Baiboly, Andriamanitra miteny amiko sy miteny aminao mba hiainantsika ny fiainana. Amena
|
Nous sommes aujourd’hui encore dans le thème « La foi apporte la vie ».
La lecture attentive de la Bible que nous venons de faire nous a montré que le croyant qui reçoit réellement la vie sert toujours d’exemple à certains. Car on sait que ce croyant peut partager cette vie. C’est ce que nous avons lu tout à l’heure dans Esaïe : « Des nations que tu ne connais pas accourront vers toi ». Parce que Dieu t’a donné une part de sa Gloire, Il accompagne celui qui croit en Lui. Et il s’agit là d’une parole de promesse. Cette journée mondiale de la Bible nous rappelle que les 66 Livres ne sont pas de simples histoires, pas de simples livres, la Parole de Dieu qu’ils contiennent nous apprend et nous fait comprendre que la Foi apporte la vie.
Dans Jean 6, Jésus Christ annonce qu’Il est le pain de la vie. Il s’adresse ici à tous et prodigue sa protection à tous. Il invite ainsi chacun à choisir la vie, voilà pourquoi l’annonce a été faite de façon à ce que tous puissent la comprendre.
Jean 6, également appelé l’Evangile de l’Amour, nous a exposé qu’après avoir nourri quelques 5000 personnes, Jésus a profité de cet acte concret pour faire comprendre et annoncer la vie éternelle en disant : « Je suis le pain de la vie »

Faite à des gens réellement affamés, cette annonce a été prise à la lettre : « Je suis le pain de la vie, celui qui vient à moi ne connaîtra pas la mort, Je suis l’eau de la vie, celui qui boira n’aura jamais soif ». Ils réclament donc ce pain et cette eau : « Je suis le pain de la vie qui est descendu du ciel pour que tous ceux qui en mangent ne meurent jamais »
Ne connaîtra jamais la mort, car il y a une vie et un espoir que Dieu offre à quiconque reçoit et entend sa Parole, une vie ici-bas qui est l’avant-goût de celle qui va venir.
Dans les événements au pays en ce moment, il y a toutes sortes de revendications. Si Jésus disant « Je suis le pain de la vie » a été entendu, la population ne serait pas tombée dans le désordre. Mais la Parole de Dieu n’est pas entrée réellement dans la vie de chacun .
Jésus Christ s’est annoncé Lui-même comme le pain de la vie et Il a montré aussi que la Foi mène à la vie. Il a utilisé pour cela une méthode concrète, rendant visible ce qui est invisible, pour que chacun comprenne ce qu’Il veut dire.
Par ailleurs, il y a aussi ceux qui font une erreur dans la compréhension des expressions : « recevoir la vie », « croire en la Parole de Dieu ». Telle cette tribu Bara, à qui les missionnaires n’ont pas expliqué ce qu’est la Bible. Croire chez les Bara signifie manger. Et lorsqu’une épidémie a sévi, les malades ont cuit les exemplaires de la Bible pour se soigner car les missionnaires leur ont dit : « Ceci est le pain de la vie, celui qui y croit recevra la vie éternelle ». Il faut rechercher ce que la Parole de Dieu veut dire. Jésus Christ a dit : « Je suis le pain de la vie, source de la vie de l’homme dans mon humanité. »
Ainsi c’est la vie tout entière que Dieu offre par la foi. Elle est aussi précieuse que l’eau, il faut en user avec soin et économie. C’est cette vie que Jésus Christ a montré par sa Personne. Autrement dit, la soumission et la foi en la Volonté et en la Parole de Dieu nous donneront la vie. Par la présentation que Jésus Christ fait de Lui-même, c’est Dieu en personne qui se porte garant de la protection et de cette vie.
En somme, que devons-nous tirer de tout cela ? Pour nous, que signifient prier et lire la Parole de Dieu ? Certains vont à l’Eglise car c’est l’endroit où ils peuvent rencontrer leurs amis, d’autres car c’est là seulement qu’ils peuvent avoir une vie sociale. Or la prière est une rencontre avec Dieu. Nous sommes en relation avec Lui, nous sommes devant Lui, nous avons la possibilité d’espérer un avenir. C’est pour tout cela que l’Eglise se doit réfléchir sur elle-même. « Est-ce que je vis vraiment la Parole de Dieu ? Ai-je vraiment pris conscience de cette vie ? Ai-je vraiment ressenti que c’est Elle qui m’apporte la vie ? ». Il ne faudrait pas qu’à la question : « D’où venez-vous ? » L’Eglise réponde : « Nous étions à la réunion ». A la réunion et non pas à l’union pour la prière. Le souhait est que l’Eglise communique réellement avec Dieu, de telle sorte qu’elle en reçoive la vie. C’est dans ce sens que le Seigneur a dit : « Expérimente et sache que Jehovah est bon ». Cela montre que celui qui croit n’a pas seulement uni sa vie à celle du Christ, mais que Christ vit en lui et qu’il montre cette union dans tous ses actes.

Ainsi, l’Eglise n’est pas l’assemblée des croyants, mais elle est bien chacun de nous. C’est sur notre vie quotidienne qu’agit la clarté du Christ. Cela ne signifie pas pour autant que nous obtiendrons ce que nous voulons de Lui. Il n’est pas l’instrument de nos caprices. Il est notre Seigneur, nous Lui devons donc obéissance. Mais Il a dit aussi : « Je ne vous considérerai pas comme mes serviteurs, mais comme mes compagnons ». Dieu agit en nous et nous donne la vie.
« Des nations que tu ne connais pas accourront vers toi », elles te respecteront car elles savent qui tu es. Jésus Christ, du reste, a dit : « Vous serez mes témoins ». Cela nous permettra d’accomplir la Volonté de Dieu. Et ce Dimanche de la Bible nous fait comprendre que celle-ci n’est pas un simple objet de connaissance, en vue d’obtenir des diplômes, mais la Parole de Dieu que nous devons vivre pour faire Sa Volonté.
Par l’intermédiaire de la Bible, Dieu me parle et vous parle pour que nous puissions vivre la vraie vie. Amen.
|
|