ALAKAMISY 29 OCTOBRE 2009 NY MOFON’AINA EKSODOSY 2 :23-25 HIRA 614 :1,2,3,4 MIJERY SY MIHAINO NY OLONY ANDRIAMANITRA Ry havako, Dia amin’ny fifaliana indray no iarahabana anao sy ny ankohonanao ary hitsidihana ny tokantranonao amin’ity Alakamisy 29 Octobre 2009 ity. Ho eo ambany Fahasoavan’ Andriamanitra hatrany anie ny fiainanao sy ny ankohonanao ka hijery sy hihaino anao hatrany anie Izy Andriamanitra. Manan-kambara amintsika isan’andro ry havako ny Soratra Masina ary amin’ity anio ity dia ny Eksodosy 2.23-25 no atolotry ny mofon’aina ho antsika. Andriamanitra mijery sy mihaino ny olony. Raha miantso sy mifidy olona hanompo Azy Andriamanitra dia tsy mamela ny olony ho irery Izy. Izany koa no hita eto amin’ity Eksodosy ity, fa na dia tsy teo intsony aza Josefa sy ireo Farao izay tia ny zanak’israely, ka tonga ny fampijaliana sy ny fampahoriana ; Andriamanitra kosa mijery sy mihaino ary tamin’ny alàlan’i Mosesy no nanehoany ny famonjena ny vahoaka nofidiny sy nanaiky Azy ho Tompo . Ny hafatra ho antsika amin’izao vanim-potoana izao ary dia : 1-MIHAINO NY OLONY ANDRIAMANITRA Mahagaga ny fitantanan’Andriamanitra ny olony fa na dia ao anatin’ny fihodinany sy ny fiovaovan-toetrany aza ny olona,dia mamerina azy hatrany Andriamanitra ary mahatsiaro ny fanekem-pihavanana nataony tamin’Abrahama . Ny taranak’israely (Jakoba)izay novonjen’Andriamanitra tamin’ny alàlan’i Josefa rehefa tonga ny andro sarotra, nefa koa mbola nohafahan’Andriamanitra sy navotany tamin’ny alàlan’ny fiantsoana an’i Mosesy rehefa tratry ny mafy sy ny fanandevozan’ny Egyptiana. Vahoaka mitaraina sy mila vonjy, Andriamanitra mihaino azy ireo ka mahatsiaro ny teny nanaovany fanekena tamin’i Abrahama noho ny fitiavany. Andriamanitra mamaly tokoa izay mitaraina sy miverina aminy ka mihaino azy na dia miovaova mandrakariva sy tsy matoky matetika aza ny olona . Nasehon’Andriamanitra tamin’ireto zanak’i Jakoba ireto izany Fitiavan’Andriamanitra izany tamin’ny fiarovana an’i Mosesy izay tonga mpitarika azy ireo hiala tany amin’ny trano nanadevozana. Andriamanitra mitondra fanafahana ho an’ny mitaraina aminy ary tsy hamela azy ireo hijaly lalandava ,nefa koa hahita fitoniana sy fifaliana . Izay matoky marina an’Andriamanitra tokoa dia mihaino azy Izy ka manafaka azy amin’ny manahirana rehetra . Izany dia tsy ny momba ny nofo ihany, fa na ny toe-panahy koa izay hitaizan’Andriamanitra ny olona mba hatokiany Azy. Sambatra tokoa ny fo izay matoky an’Andriamanitra fa ny fiadanan-tsaina sy ny haravoam-panahy no mameno ny fiainany . Ry havako malala,izaho sy ianao koa dia afaka mahita izany fiadanana izany amin’ny fahatokiana sy ny finoana, ary raha tena raisintsika ho mpamonjy ny fiainantsika manokana tokoa Jesoa Kristy dia matokia marimarina, fa Izy ilay niteny hoe : « Tsy hianareo no nifidy ahy fa Izaho no nifidy anareo » no mihaino sy manome fanafahana antsika,ka tsy hamela antsika ho irery . fa Andriamanitra mihaino ny olony tokoa Andriamanitra ka manafaka amin’ny fahoriany rehetra . 2-MIJERY NY OLONY TOKOA ANDRIAMANITRA Ao anatin’ny manjo ny olona dia tsy manao tazan-davitra Andriamanitra fa tonga manafaka sy mijery ny olom-boafidiny. Tena mahita sy mahafantatra ny fahoriana mianjady,ny fampijaliana atao amin’ny olony Andriamanitra ka mamonjy azy ireo amin’izany sy ny tahotra rehetra . Manerana ny Soratra Masina manontolo eny, na eo amin’ny fiainana andavan’androntsika aza,raha tena mino isika dia hahita fa mihaino sy mijery Andriamanitra ka mifandray amintsika lalandava. Amin’ny fifaliantsika eo KRISTY,amin’ny fijaliana mianjady eo KRISTY,amin’ny fahoriana IZY NO MPAMONJY mora azo indrindra. Ary tsy hamela ny olom-boafidiny hangaihay tokoa Izy . Izaho sy ianao koa ry havako andeha hanamafy orina indray ny finoana ao anatintsika ka hatoky hatrany fa amin’ny zavatra rehetra sy ny tontolom-piainantsika dia miaraka amintsika Kristy ka sady mihaino Izy no mijery fa tsy hataony tsinontsinona ny fahatokiana Azy ; Dia ho aminao koa anie ny fahatanterahan’ny Fitahian’ny Avo indrindra.
Créer un site gratuit avec E-monsite.com
- Signaler un contenu illicite
- Voir d'autres sites dans la catégorie Associations
Créer un site e-commerce - Créer un forum